24.12.10
Posted in
Ankapobeny
| 11:20
Zavatra mampalahelo ary tsy azo modiana tsy hita ,ny resaka Maitre FRAM ,izay toa ohatran'ny modiana fanina ny karama 4 bolana.Tamin'ny omaly maro ireo Mpampianatra avy any Ambanivohitra no miandry nanoloana ny Banky BFV S.G ,efa ho hatramin'ny 5 ora hariva fa mbola tsy nivoaka ihany.
Raha namaly ny Mpampianatra iray nanontaniana dia nilaza fa : ''..Tsy misy ny vola hanaovana fety,valian'ny F.A.T ny volanay,raha mitady higrevy izahay dia rahoanana ny roahina,tsy hay intsony e!!!...''.Miteny ho azy ny valin-teniny,tsy mba misy noely ampiafaliana izany noy azy ireto.
Asa aloha izay mety ho valiteniny Minisitra tompon'andraikitra amin'ity.
Manaraka moramora ao koa ny eny amin'ny Oniversite izay olana tsy voavaha hatramin'izao.
Tsy hay aloha fa dia ho hita eo ny tohiny ,ny omaly tsy miova ihany no ihainana amin'izao.
Dia mirary fety mahafinaritra ho antsika etyo amin'ny Blaogy e!!!
Rohy maharitra
30.11.10
Posted in
Ankapobeny
| 13:21
Misy ny fotoana hanginana ary misy ny fotoana hitenenana.Raha mijery ny zava-bita dia hafa raha samy mpamokatra sary mihetsika ny Scoopdigital,efa mivoatra ny sary, ny feo izay hita ho misy fihezahana tokoa,na ny tantara aza dia hita ho tena miavaka ,eny na mitahy amin'ireo sary mihetsika vahiny.
Raha ny hita ankehitriny anefa dia toa simbaina izany fihezahana ataon'ny Mpamokatra Malagasy izany.Navoakan'ny tao amin'ny DCOMM ny piratin'ny film Play boys3zition ary hita miharihary izany,satria misoratra eo amin'ny film ny hoe DCOMM na Direction de la Communication ny zoma lasa teo,maherin'ny 3 000 ny VCD piraty tratra,izay misy io marika io(Teny Ambohipo,Analakely ...sns...).Ary hita ho tena matanjaka sy misy olona ambony mpiaro ny tena ati-doha ,satria tsy mety ho tratra mihitsy,ary efa miely manerana ny Nosy sahady ny Piraty. Atao hoe tandrevaka ,nefa mbola tsy nisy izany hatramin'izay teto Madagasikara raha tsy izao.
Raha ny fahitan'ny maro dia toa famotehana ny Scoopdigital ilay izy ,ary zavatra atao fanahy iniana.Zary lasa tsy fahatokisana ny ao amin'ny Minisitera intsony ,satria ".....na hamoaka ny Malok'ila 9 aza dia ho vahotra sy hatahotra ihany ny hametraka izany any amin'ireo tomponandraikitra mahefa" hoy ny tompon'andraikitra iray tao amin'ny Scoopdigital.
Lasa tsy misy fahatokisana ireo mpitondra intsony ny Mpanao kanto,satria na ry zareo tokony hiaro indray no mamotika,sy mamoaka ny tsiambaratelon'ny Mpanakanto.
Soa ihany fa mbola ireo Malagasy tia tanindrazana sy mankafy ny kanto ary manohana ny Malagasy iray ra aminy mividy ny original.
Anjaratsika no mamakafaka!!!!
Rohy maharitra
07.11.10
Posted in
Ankapobeny
| 12:01
Efa elaela no noheritreritra ity zavatra iray mety hiseho ity ny tenako.Indrindra tamin'ny nanombohany crise 2009 iny ka mandraka ankehitriny.
Ny tena marina dia manakarena i Madagasikara ary samy mahalala izany isika rehetra,raha ny eo amin'ny harena an-kibon'ny tany no jerena.Lasa hiadivan'ireo Firenena tandrefana isika noho izany,satria fototrin'ny fampandrosoany ireo.Ary indirndra fitaovana hilaina amin'ny Teknolojia vaovao ,izay betsaka eto Madagasikara.
Raha nandinika ireo Firenena manana herena any ivelany aho indrindra fa Afrikana sy Aziatika ,dia hita fa toa iharan'ilay hoe zarazarao hanjakana.Izany hoe :"Mizara roa" ho Avaratra sy Atsimo,ny ohatra akaiky dia ny any Soudan izay navahana ny faritra Atsimo misy Solika (Petrole),ary nizara ho Firenena roa mahaleo tena.
Raha mandinika any Madagasikara aho dia manahy ny hisian' izany,ny Atsimo no mitana ny an-kamaroany harena an-kibon'ny tany ohatra :Illmenite na fasy mainty any Fort dauphin sy Toliara,Petrole any Sakaraha sy Tsimiroro,ny Saphir any Ilakaka sy Zazafotsy,ny Labradorite any Ihosy izay misy Nickel -Cobalt.
Ny tena nahalasa saina ahy dia ny fandrangitana adim-poko lavareny eto Madagasikara,sy ny fanindrahindrany sasany ny Federalisme any amin'ny faritra hiaviany.Maro ny firenena izay manankarena toa Antsika no miaina io tranga io ,hitako ho mampanahy be ihany.
Ary ny tsy nanaovana any Maintirano ho anatin'ny Faritanin'Antananarivo ,izay Port stratejika ho an-ny Iarivo satria io no akaiky indrindra ,izany hoe atao fahirano an-kolaka Antananarivo.Misy manao amin'ny fomba maro ny hisiany ady an-trano eto Amintsika mba hahatanteraka io.
Raha tsy mahay mitandrina sy mamakafaka tsara isika Malagasy dia tafiditra ao anatin'io fitaka io,na voazara an-kolaka ny Tany ka ny vahiny no manjaka sy mandromba ny harem-pirenena,io koa mbola tsy ferana(ny An-kolaka) ary efa hita miseho ankehitriny.
Veloma e!
Rohy maharitra
28.09.10
Posted in
Ankapobeny
| 17:12
Io indray ilay efa nahiako fa niverina indray,efa in-enina no nitokona ny teny Akatso tamin'ity taona ity,ny antony? Tsy misy afa-tsy resa bola.Nigrevy indray ny Mpianatra sy ny Mpandraharaha androany misoka mangina ny an'ireo Mpampianatra .Ny Mpianatra moa dia nidina teo amin'ny fiantsonana 119 mihitsy androany ,izay tena maneho ny fahatezerany ,ny PAT(Personnelle Administrative et Technique) indray dia teo amin'ny esplanade.
Ny an'ity farany moa dia ny fitakiana ny Karama,ny any mpianatra indray moa dia tsy voazara ny vatsim-pianarana,tsy mihodina ny Oniversité,tsy misy ny Budget de Fonctionnement 2010(namelona ny tenany ny Oniversité).Izay aina mampadeha ny Oniversite.Raha voaloha ny karaman'ny PAT teo aloha,dia tsy misy ny Bourse.Voaloha ny Bourse ,tsy misy ny Karama.Ny Budget de Fonctionnement moa izany dia tsy hay intsony.
Ny any Faculté na grande Ecole siantifika(Polytechnique, Médecine,Sciences ) iray dia mahatratra 750 Millions FMG ny Budget farafaha-keliny,izay hividianana ny fitaovana anaovana Travaux Pratiques sy fikarohana sy kojakoja ilaina amin'ny fanadinana.Tamin'ity taona ity tsy misy afa-tsy 200 Millions FMG no azon'ny Oniversite iray manontolo.
Etsy an-kilany miGrevy tsy mety manao fanadinana koa ny Mpampianatra ao amin'ny Faculté iray,ary dia mbola sy fantatra mazava koa ny amin'iny.Nohon'ny fitakian'ny zareo ny tambi-karama 2009-2010,izay modiany Fanjakana fanina . Raharaha hafa koa iny!!!!
Tsy hay izay avoakan'ny ampitso fa misafotofoto be ihany ny toe-draharaha.Mety hoavy koa ny an'ireo Maitre FRAM izay tsy mbola nomeny Fanjakana FAT ny karamany mandritra ny 3 Volana,ao anefa ireo vao nampidirana.Hihiditra ny Mpianatra dia ahoana koa ny an'ireo kilonga madinika any ambanivolo any.
Etsy an-kilany koa ny an'ireo Magistrat.Hita hoe tena tsy voafehy ny toe-draharaha.
Tsy misy ve ny vola?
Lanilany amin'ny tsy antony ve ny vola?
Nahoana ny tena ain-dehibe ny Firenena sy maha -Firenena ny Firenena no atao an-kilabao?
Aza adino fa sorona foana ny fampianarana tato ho ato.
Anjarantsika ny mamakafaka.
Rohy maharitra
15.08.10
Posted in
Ankapobeny
| 11:27
Grand Cabaret NY AINGA Voalohany eto Madagasikara atao ao amin'ny SK Melody Mandriambero ny 28 Aout 2010 izao manomboka amin'ny 9 Ora sy Sasany alina.
Seho voalohany io ary tena raitra satria io no fanokafana ny Cabaret ataon'ny Tarika voalohany izay ampolony taona nisiany izay.Ny Spectacle no Arivo (1 000),fa ny Cabaret Voalohany.
Tongava maro ary e!!!!!
Prix d'entrée:10 000 Ar
Réservation:15 000 Ar
Rohy maharitra