MOFON'AINA--ZOMA 02 NOVAMBRA 2018 : 1 Samoela 1.12-28

Published on 11/02,2018

Lohahevitra volana Novambra : Ny Teninao no Fahamarinana

Zoma 02 Novambra 2018 : 1 Samoela 1.12-28

1-Lesona momba ny vavaka ampianarin’i Hana

Andriamanitra no ianteherana eo anoloan’ny fahoriana mahazo .Avoaka eo anatrehan’i Jehovah izay rehetra mitambesatra ao am-po , mana-paharetana rehefa mivavaka . Ianao koa ,mahaiza mametraka ny fiainanao eo Aminy.(Fil 4,6)

 2- Aza mitsara araka izay miseho fotsiny 

Ny fijerin’ny olona an’i Hana dia toy ny olona mamon-divay. Noheveriny ho toy ny olona ratsy fanahy izy. Hay, vehivavy manana toe-po tia vavaka. Niova ny fijeriny ka tsodrano mba hanomezan’ Andriamanitra izay nangatahiny no nataony . Tahaka ireo olona nanatrika ny nilatsahan’ny Fanahy Masina  tamin’ny andro Pentekosta , hay tsy mamon-divay fa olona  mandray ny Fanahy Masina (Asa 2.13). Ianao koa ,aoka ho toa an’Andriamanitra izay mijery ny fo  fa tsy izay  miseho (1Sam 16.7)

3- Nohenoin’ Andriamanitra ny vavaka

Izany no zava-mahafaly eto. Niteraka i Hana . Nahatsiaro Azy i Jehovah . Ary nanefa  ny voadiny i Hana ka natolony ho an’i Jehovah i Samoela. Tandremo , aza adinoina i Jehovah rehefa mahazo fitahiana ianao ( Deo 8.18)

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra.

 » Raiso ny Tenin’ Andriamanitra »  , Boky faha 3.

Jereo : https://www.fjkm.mg/


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=9524

Leave a Reply

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

One Response to MOFON'AINA--ZOMA 02 NOVAMBRA 2018 : 1 Samoela 1.12-28